<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>W.G. Tomer</author>
<lyrics>[V1]
 Enga anie ka homba anao
 Jeso !
 Hanadio sy hanazava
 Hampahery lalandava,
 Enga anie ka homba anao
 Jeso !
 Homba anao, homba anao
 Homba anao anie Jeso
 Homba anao, homba anao
 Enga anie ka homba anao
 Jeso !

[V2]
 Raha mitambatra ny rahona,
 Ka mikimpy ny masoandro,
 Raha Jeso momba isan'andro,
 Ho tantely koa ny vahona.
 Homba anao, ..sns.

[V3]
 Mangamanga indray ny
 lanitra
 Loharanom-pitahiana
 Sady foto-pifaliana,
 Jeso Zanakan'Andriamanitra
 Homba anao, ..sns.

[V4]
 Raha mitolona ady sarotra
 Matokia fa tsy ho irery,
 Homba anao Jeso mahery
 Homba anao tsy miady
 varotra
 Homba anao, ..sns.

[V5]
 Raha hilaozana ny havana,
 Sady mainty koa Jordana,
 Ho mazava ny fitàna
 Ao Jeso hanangana avana
 Homba anao, ..sns.

[V6]
 Raha Jesosy no mitantana,
 Paradisa koa ny tany,
 Hasambarana hatrany,
 Ao Kanana no hamantana.
 Homba anao, ..sns.</lyrics>
<title>Enga anie ka homba anao Jeso! FFPM731</title>
<hymn_number>731</hymn_number>
</song>